<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Morning Star</author>
<title>Tonga ny fahazavan'i Ziona FFPM40</title>
<lyrics>[V1]
 Tonga ny fahazavan'i Ziona,
 Ravo ny tany izay maizina teo
 Tapitra koa ny andro misaona,
 Ary ny tany miadana izao.

[V2]
 Tonga ny fahazavan'i Ziona,
 Efa nandrasana izay ela izay,
 Izao dia tapitra ny
 fanompoana,
 Ka ampodina ny babo indray.

[V3]
 He misy rano izay miboiboika
 Any an-efitra maina sy lao,
 Feno ny hobiny ny lohasaha,
 Manakoako ny hira vaovao.

[V4]
 Indro ny tany sy nosy rehetra
 Dia mankalaza ny Tompo
 izao,
 Ny fanjakany dia tsy
 manam-petra,
 Miravoravo ny tany vaovao.</lyrics>
<hymn_number>40</hymn_number>
</song>